SocialTsidika

Miakatra ny haavon’ny alon-dranomasina

Vinavinaina hahatratra 2,8 hatramin’ny 3,3 metatra ny haavon’ny onjan-dranomasina amin’iny morotsiraka atsimo sy avaratra atsinanan’ny nosy iny araka ny mpampahafantatra ny mety ho toetry ny andro. Mety arahina tafiotra hatramin’ny 50 hatramin’ny 60km/ora izany arak’izy ireo hatrany, ary hikorotana ny toetry ny ranomasina, ary ianjady kokoa eo anelanelan’i Toamasina sy Antsiranana. Noho izany, mbola ampitandremana ireo mpampiasa ny ranomasina mba tsy hiandriaka amin’ireo toerana voalaza mandrapaha foana ny tandindon-doza.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire