Nandray ny fibaikoana ny lehiben’ny Etamazaoro vaovao, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Délphin
Isan’ny maha firenena ny firenena ny fisian’ny tafika izay natao hiaro ny firenena iray manontolo sy izay rehetra ao anatiny. Tontosa omaly 21 jona 2021, teny amin’ny Toby Kolonely Rakotonirainy Alphonse 1er RTS Fiadanana ny lanonana fifamindra-pibaikoana teo amin’ny Lehiben’ny Etamazaoro vaovao, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Délphin sy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika teo aloha ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude.
Nanome voninahitra ny lanona ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny Jeneraly Rakotonirina Richard, notronon’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Ravalomanana Richard. Nisy ny fanolorana faneva ho marik’izany fifamindram-pibaikoana izany. Ny matso nandraisan’ireo vondron-tafika misy eto amin’ny Tafika Malagasy no namarana ny lanonana.
Nitazona andraikitra maro teto anivon’ny Tafika ny Jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin ary manana mari-pahaizana maro momba ny Tafika ihany koa. Efa Kaomandin’ny Sekolin’ny Manamboninahitra Lefitra na ENSOA Antsirabe izy ny taona 2012, taorian’izay dia nitazona ny andraikitra « Directeur des Ecoles et Formations Militaires » teo anivon’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika izy tamin’ny 2015. « Coordonnateur Général des projets » teto anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena no andraikiny farany mialohan’izy lasa Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika izao. Manantena hatrany ny fahatsaran’ny asa ny vahoaka manoloana izao fiovana izao ary indrindra mba handrian’ny filaminana ka hiadana sy hiaina finaritra ny vahoaka ambany fahefana.
Nicole Rafalimananjara
