SocialTsidika

Hihatsara ny famatsiana herinaratra ao Ambositra

Miezaka hatrany manome fahafaham-po ny mpanjifany ny Jirama ankehitriny na dia eo aza ny mbola fahatapahan-jiro izay nampimenomenona ny olona tokoa. Ezahana hatsaraina hatrany ireo famatsiana herinaratra manerana ny faritra rehetra fa anjaran’Ambositra aloha izao. Nahazo vondrom-pihary herinaratra vaovao miisa 2 manana tanjaka 800KW avy ny tanan’Ambositra.

Efa niditra an-tsehatra tamin’ny famokarana ireto farany ny 06 sy ny 10 jona farany teo ary mbola eo am-piandrasana ny fahatongavan’ilay vondrom-pihary faha-3 ny ekipa amin’izao fotoana. Efa mahatratra 1 400 kW ankehitriny ny tanjaky ny herinaratra mamatsy ny tananan’Ambositra raha 600 kW monja ny teo aloha izay hany vitan’ireo vondrona miisa 3 tranain’ny Jirama. « Manantena ny tsy hisian’ny fahatapahan’ny herinaratra intsony izany izahay satria miankina tanteraka amin’io ny asa » hoy ny mpivarotra trondro iray ao an-tampon-tanànan’ Ambositra. Zava-dehibe eo amin’ny fiainana tokoa ny angovo, asa maro no miankina tanteraka aminy ka hirariana mba hitohy hatrany izao ezaka ataon’ny Jirama izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire