Allemagne : Nandresy tamin’ny MotoGP i Marc Marquez
Efa ela tsy hita ny zava-nitranga omaly tao Sachsenring. Sambany indray no nibata fandresena i Marc Marquez (Honda) taorian’ny loza nahazo azy (in-droa nianjera) tamin’ny herintaona. Resiny omaly i Miguel Oliveira (KTM) sy i Fabio Quartararo (Yamaha). Mbola ity farany hatrany no mitana ny laharana voalohany eo amin’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany (isa 131). Manaraka azy eo i Johan Zarco (Ducati, isa 109), ary fahatelo i Jack Miller (Ducati, isa 100).
