Conseil

Ireo fahadisoana telo lehibe rehefa mampiasa « Huile d’Olive » na ny menaka Oliva

Amin’ny ankapobeny dia rehefa mahandro isika dia tsy maintsy ahitana menaka foana ny sakafo karakaraina mba hampatsiro sy hampivoaka tsara ny tsiro. Iresaka menaka iray isika androany dia ny menaka Oliva, izay mety ho fampiasa ao andakozia. Misy ambadika fonosiny anefa ny fampiasa azy ireny , anefa tsy fantatry ny ankamaroantsika. I Caroline Clauvelin mpiandraikitra momba ny marika ao amin’ny “bio planete” ao Eropa no nizara ny toro-hevitra ary ho zaraina amintsika eto anio.

Tsy tsara ny menaka oliva raha ampiasaina rehefa hanendy isika. Araka ny fikarohana dia masaka tanteraka io menaka io rehefa anaty hafanana 180°, kanefa rehefa manendy isika dia tafiakatra ny 200° eo ho eo ny hafanana voarefy, ka mahasimba ireo singa entiny anefa izany. Arak’io dia tsara tsara kokoa raha menaka tournesol na menaka fanendasana hafa no ampiasaina rehefa anendy sakafo isika.

Mety ho lany daty ny menaka olive. Io menaka io dia tahaka ireo sakafo amin’ny boaty ihany, ka misy daty mametra ny fampiasana azy. Noho izany dia tsy azo ampiasaina intsony ny menaka oliva rehefa lany daty fa mampidi-doza .Raha tsy hita ny daty fametrana ny fampiasana azy dia vahaina ary fofonina, ka raha misy fofona dia efa tsy tokony ampiasaina intsony.

Tsy tsara raha ariana anaty “canalisation” ao antrano. Rehefa sanatria tsy ampiasaina intsony na tsy afaka ampiasaina intsony ny menaka oliva dia tsy tsara raha ariana anatin’ireny fivarianan’ny rano maloto ao antokatrano ireny io menaka io, satria raha be loatra dia mora mivaingana ka miteraka fahatsentsemana ary mety anahirana ny hanala azy.

Nathalia Rasoarilala

Laisser un commentaire