ActualitésTsidika

Nampidirina am-ponja vonjimaika ireo voarohirohy tamin’ny « raharaha Appollo 21 »

Nivoaka ny fitsarana Anosy omaly alarobia 04 aogositra tamin’ny enina hariva ireo ampahany amin’ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fifofoana ny ain’ny filoha rehefa avy nalaina am-bavany. Olona fito arak’izany no nampidirina am-ponja vonjimaika : olona telo nalefa eny Tsiafahy,olona telo any Imerintsiatosika ary vehivavy iray eny Manjakandriana.

Ireo olona ireo moa arakin’ny fantatra dia anisan’ireo heverina ho tena atidoha nikotrika ity raharaha Appollo 21 ity, ao anatin’izany i Paul Maillot Rafanoharana ilay zandary teo aloha,mpampiofana commando mpilatsaka an’elon’aina sy Phillipe Marc François ilay kolonely Frantsay misotro ronono izay tena voatonona hatrany.

Ny mpampanoa lalàna tarihin’i Berthine Razafiarivony izay mandray an-tanana manokana ity raharaha ity no namoaka ny didy ho fampidirana am-ponja vonjimaika azy ireo noho ny porofo efa voaangona tamin’ny fakana am-bava azy ireo izay efa nisy teo aloha. Raha ny fanambaran’i Berthine Razafiarivony hatrany dia nahitana raki-tsoratra izay mirakitra ny tetika matipaika miampy ny antontan’isan’ny vola izay eritreretina hanatanterahina izany raharaha izany ny fitaovam-pifandraisana izay fampiasan’ireo voarohirohy, tao ihany koa ny fahitana fifandraisana sy fifanakalozana ara-tsomeso sy an’antso an-tariby tamin’ireo olona manam-pahefana eto amin’ny firenena.Tsy mbola fantatra kosa ny nolazain’ireo voarohirohy.

Mbola milona tanteraka ao anatin’ity raharaha ity moa ny Fitsarana Anosy, izay tena manao ny heriny tsy ho zavatra amin’ny famahana ity olana ity. Mifamahofaho ny toe-draharaha eto amin’ny firenena noho io fanohintohinana ny filaminana anatiny io.Miandry ny fihainoana ireo olona ambiny mbola alaina am-bavany eny amin’ny Fitsarana arak’izany ny mpanara-baovao, hanao ahoana indray re ny ho tohin’ity raharaha ity, iza no hanaraka ny dian’ireo eny Tsiafahy ary iza no alefa arahi-maso akaiky sy ambenana amin’ny toerana manokana na atao « résidence surveillée » ?

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire