Tontolon’ny kanto : Nodimandry i Charle-Bert Andrianaivo
Misaona ny tontolo ny kanto malagasy. Nodimandry anio 5 Aogositra 2021 i Charle-Bert Andrianarivo, mpitendry aponga maro anaka ao amin’ny tarika Mahaleo, mpandinika fiaraha-monina ary mpanao gazety izy. Efa niditra hopitaly nandritra ny roa herinandro eo ho eo izy teny amin’ny Centre Hospitalier Universitaire (CHU) izy, izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Izy no mpikambana fahadimy nandao ny tarika mahaleo.
Na dia tsy dia henoheno ary i Charle-Bert Andrianaivo dia anisan’ny fototra iray nampitsangana ny tarika Mahaleo izy. Amin’ny maha mpandinika fiaraha-monina azy (sociologue) azy dia olona nandray andraikitra sy tena nanampy ny mpiara-monina aminy izy. Nanampy ireo tanàna misedra fahasahiranana teto an-drenivohitra izy ary tanàna maromaro any amin’ny Matsiatra Ambony, Bongolava sy Itasy tamin’ny alàlan’ny Centre d’information, de communication, d’animation, de formation et d’éducation (Cicafe) izany.
67 taona izy izao nodimandry izao ary efa notolorana ny mari-boninahi-pirenena ambony indrindra Grand-Croix de 2ème Classe de l’Ordre National Malagasy vao tsy ela akory izay, ny volana Marsa 2021.
Sitraka Rajaonarivony
