ActualitésTsidika

Ankazobe Ambohimanga Rova : Mangataka ny hisian’ny herinaratra

Isan’ny olana sedrain’ny mponina ao Ambohimanga Rova ny tsy fahampian’ny herinaratra mamatsy ny kaominina iray manontolo. Mirongatra mantsy ny tsy fandriam-pahalemana rehefa tsy misy ny fahazavana.

« Mbola tena miaina ao anaty haizina tanteraka izahay aty amin’ny Fokontany Ankazobe kanefa tena ilaina tokoa izany ho fampandrosoana ny Fokontany » hoy i Harilanto, mponina any an-toerana. « Mila fantarina tsara ny tena laharam-pahamehana amin’ny vahoaka sy ny fampandrosoana, mbola maro ny fokontany miaina ao anaty haizina kanefa isan’ny mitondra fampandrosoana ny fisian’ny herinaratra indrindra ny herinaratra azo avy amin’ny angovo azo havaozina » hoy i Bernard, mpandalina manokana mikasika ny fampandrosoana lovain-jafy. « Efa ela izahay no nanao fangatahana teny amin’ny Kaominina ny mba hanasiana hazavana eto amin’ny Fokontaninay satria tena ilainay izany, manjary malok’ila mantsy ny kaominina ankehitriny satria ao ny efa mazava ao kosa ny mbola ao anaty haizina tanteraka » hoy ny sefo fokontany ao Ankazobe.

Rehefa mazava tokoa ny tanàna dia mazava ny lalana hizorana ho any amin’ny fampandrosoana eny ifotony. Aoka hifantoka amin’ny laharam-pahamehana sy ny mahasoa ny mpitondra isan-tsokajiny ka hamaly ny hetahetan’ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire