ActualitésTsidika

Tontoso ny fitsarana an’i Rabekoto Raoul Arizaka

Niakatra teo amin’ny fitsarana manoloana ny ady heloka bevava, izay nosahanin’ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC ny raharaha mahakasika an’ni Rabekoto Raoul Razaka. Tale jeneralin’ny CNaPS teo aloha no sady filohan’ny federsion’ny baolina kitra Malagasy amin’izao fotoana izao moa ny tenany.

Maro ireo antony hiampangana azy, ko anisan’ireo ny fanodikodinam-bolam-panjakana, fanararaotam-pahefana, fizahana tavan’olona, fisandohana sy fampiasana hosoka. Ny fiandohan’ny taona 2020 no nanomboka niakatra teny amin’ny fitsarana ny rahahara izay niapangana azy. Marihina hatrany fa valim-pitsarana tsy afaka natrehin’ireo olona voarohirohy mahakasika izany ity notanterahina ity.

Asa an-terivozona mandritra ny folo taona sy lamandy 500 tapitrisa ariary no sazy nahazo azy taorian’ny valim-pitsarana. Voarara tsy hitazona andraikitra ambony mandritra ny 10 taona koa ny filohan’ny baolina kitra Malagasy. Nahazo fandrarana tsy hampiasa ny zom-pireneny hatramin’ny 10 taona aorian’ny famoahana ny saziny. Ny valim-pitsarana no efa fantatra ankehitriny saingy ny didim-panjakana hisamborana azy no mbola tsy nivoaka.

« Tokony tsy asiana tombo sy ala ny raharaham-pitsarana, tokony ataon’ny fanjakana ihany koa ny hanafainganana ireo raharaha rehetra mikatso ao amin’ny fitsarana » hoy i Anjara, olona manan-draharaha ao amin’ny fitsarana.

« Valifaty polotika izao natao azy izao, raha tsihahivina efa nisy fotoana ny mpiasa teo amin’ny CNaPS no nitaraina fa misy maka vola, izay atao amin’ny anaran’ny fitondrana saingy tsy nisy nihain izany. Ankehitriny avadika indray fa manodikodim-bola ny filohan’ny federasiona » hoy i Fanja, mpiasa ao amin’ny CNaPS. « Tsy mifanaraka amin’ny asa vita ny vola mivoaka. Tsy vita hatramin’ny farany ny asa fanorenana etsy andaniny anefa ny fandoavana ireo vola rehetra saika efa tanteraka avokoa » hoy ny tompon’andraikitra teo amin’ny birao misahana ny ady amin’ny kolikoly.

« Ny valim-pitsara no izao efa vita fa ny didy fampisamborana kosa mbola andrasana ankehitriny. Afaka mampiakatra ny raharaha ireo olona tsy afa-po tamin’ny valim-pitsarana » hoy i Mialy, mpahay lalàna.  Tsapa ankehitriny fa ireo raharaha manohitohina ny fanjakana ihany no nohafaingainina ny fitsarana azy.

Andrasan’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny tohin’ireo zava-misy tsy ara-dalàna niseho teto amin’ny firenena, anisan’izany ny raharaha volamena milanja 73,5 kg izay tratra tany Afrique du Sud.

Tsy hitondra fampandrosoana ho an’ny firenenna mihitsy ny mbola fisian’ny tsy maty manota eto amin’ny firenena. « Fantatro daholo ianareo, ary hohitanareo ny hanaovako anareo, mbola mitohy ity tantara ity » hoy ny filoham-pirenena nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fihaonany tamin’ireo mpikambana eo amin’ny federasion’ny baolina kitra, andro vitsy mialohan’ny fiakarana an-kianja izay nataon’ny Barea an’i Madagasikara ny 07 Septambra lasa teo, misy hifandraisany amin’izany ve izao valim-pisatrana enjana izao ?

Haingotiana Andriamihaja 

Laisser un commentaire