Ambohibazoina Avaradrano : Nisy doro tanety goavana
Nisehoana doro tanety goavana indray tany Ambohibazoina Avaradrano ny alin’ny 27 septambra lasa teo. Mpamboly avokoa, ary efa nijaly orana hatramin’ny herintaona, ny mponina manodidina.
« Simba ny tontolo iainana ka mila mandray andraikitra ny fanjakana satria izahay izao efa hatramin’ny herintaona no tsy ampy orana hany ka nihena ny vokatra » hoy i Norine, mponina eny amin’ny manodidina. « Dorana ny tanety kanefa izy ihany no hizaka ny vokany eo satria tara ny orana, main any tany dia ho tonga eto amintsika ihany koa ny kere » hoy i Vero, mpiaro ny tontolo iainana.
« Enjehin’ny lalàna ny hetsika fanimbana ny tontolo iainana ka tsy tokony ho afa-maina, tompon’andraikitra isika vahoaka eny ifotony amin’ny fanolorana ny mpandoro tanety manoloana ny fitsarana satria tombontsoa ho an’ny taranantsika ihany izany » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy. Ny mampalahelo tokoa dia ny tantsaha izay tena mila orana no mizaka ny vokany raha ny tsy matahotody no manao ny fandoroana ny tontolo iainana.
Tsy sanatria teny fotsiny ireny fanentanana ireny fa miankina amin’ny atanontsika izao ihany no tontolo horiaisin’ireo taranaka rahatrizay.
Nicole Rafalimananjara
