Ambohimanga Rova : Naorina ny EPP Soavinimerina
Efa eo an-dalam-pitsanganana ankehitriny ny EPP Soavinimerina ao anatin’ny Kaominina Ambohimanga Rova raha ny 21 septambra lasa teo no natomboka ny asa tamin’ny alalan’ny hady fototra. Efa ela mihitsy no nampijaly ny mponina ny tsy fisian’ny sekoly ambaratonga fototra teo an-toerana.
« EPP telo no kasaina ho vita ao anatin’ny 3 volana eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambohimanga Rova » hoy ny Ben’ny tanàna any an-toerana. « Isaorana ireo mpamatsy vola nanampy anay eto ny amin’ny fanosehana hatrany sy fampiroboroboana ny fampianarana aty ambanivohitra aty » hoy i Florentine, renim-pianakaviana monina any Soavinimerina. « Ambohimanga vilany vy, miara-miketrika ho tsara masaka » hoy ny teny filamatry ny Kaominina. Miainga amin’ny fanabeazana rahateo ny fampandrosoana raha mahazo fahalalana dieny kely ny zaza dia azo antoka fa hitondra soa ny firenena. Azo lazaina fa efa mizotra amin’ny fandrosoana tokoa ve isika amin’izao ?
Nicole Rafalimananjara
