ActualitésTsidika

Ambohitrarahaba Avaradrano : Maro ireo toerana manan-tantara

Fokontany iray mandrafitra ny kaominina Ambanivohitra Ankadikely Ilafy Avaradrano i Ambohitrarahaba, izay misy mponina manodidina ny 19 526, ary manana vakimparitra dimy.

Inona tokoa ny tantara raiketin’ity Fokontany iray ity ? « Ivotry no anaran’Ambohitrarahaba fahiny na antsoina ihany koa hoe Ambohitrarahabaina taty aoriana, rehefa nitsidika ny tanàna ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia nanova ilay anarana ho lasa Ambohitrarahaba » hoy i Ranivoson Marcel, Sefo fokontany lefitra ao Ambohitrarahaba.

« Betsaka ireo vakoka sy ny toerana manan-tantara raiketin’ity toerana ity toy ny hadivory izay nanodidina ny tanàna izay nanana ny lazany tokoa kanefa efa tototra ankehitriny nanaovan’ny olona fanorenena, eo ihany koa ilay vavahady kely izay fidirana ato an-tanàna ka mbola hita ankehitriny » hoy i Rabarison, zokiolona any an-toerana. « Tanàna miavaka tokoa Ambohitrarahaba hatramin’izao satria mbola ahitana taratra ireo fomban’ny Ntaolo fahiny toy ny lavadranon’ny Ntaolo izay mbola manana ny hasiny tokoa satria izay manota fady eo dia misy mahazo azy foana » hoy i Rasoa, mponina mipetraka manodidina ilay lavadrano.

Toerana be mpamosavy Ambohitrarahaba tamin’izany fotoana izany ka mbola hita ao aza ilay vato fampisotroana tangena ny olona hitsarana raha tena mpamosavy tokoa na tsia satria raha maty izy dia mpamosavy ary raha velona ambonin’io vato io kosa dia olo-marina. Izay maty noho izay dia nentina navarina teny Ampamarinampamosavy na teny Ankarandoha, eny amin’ny ilan’andrefan’Ambohitrarahaba ao amin’ny faritra fahatelo. Maro ny toerana manan-tantara eny an-toerana izay tsara tsidihina sy fantarina.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire