ActualitésTsidika

Tra-tehaka ireo olona namafa ny daty tamin’ny entana tsy azo hohanina intsony

Taorian’ny horonan-tsary fohy izay niparitaka, indrindra tao anaty tambazotran-tserasera fesiboky no nandeha ifotny nanao fitsirihihana ireo sampan-draharaha eo amin’ny Minisiteran’ny fampiroborobohana ny indositria sy varotra ary ny fanjifana. Tratra nandritra izany ireo entana efa lany daty izay mbola amidin’ny mpivarotra eny amin’ny manodidina ihany.

Raha tsihahivina ny zava-nitranga dia kikisan’ireto mpisandoka ny daty amin’ny entana iray ka soloiny. Nogihazana avy hatrany ny entana lany daty rehetra izay hita teny an-toerana raha to aka natao famontorana eny amin’ny biraon’ny polisy ireto olona nahavanon-doza. Fandikan-dalàna miampy fanapoizinana ny mpiara-belona izao ninina nataon’ny vondron’ny mpivarotra izao. Tsy fantatra mazava na noho ny fahantrana lalina izay misy amin’izao fotoana na ny tsy fisian’ny asa atao no nanosika ireto mpivarotra hanao izao fihetsika izao.

Voafitaka noho ny tsy fahalalana ny zava-nitranga ireo mpanjifa izay sodokan’ny vidiny mirary nataon’ireto mpivarora.» Soloina ilay daty mba tsy hampihahihay ny mpanjifa, varotana amin’ny atsasa-bidy izany avy eo ary atao izay hahalaniana amin’ny fotoana fohy dia fohy » hoy i Jeanine, mpivarotra entana lany daty. « herin’andro mialohan’ny daty voatondro amin’ny entana iray no efa tsy tokony hohanina intsony izy noho ireo vokatra simika afangaro aminy.

Entaninana hatrany isika, indrindra ny ray aman-dreny tsy hanome ireny sakofo ireny ho an’ny zaza. Tsy ny zaza ihany fa ny taovan-tsika olombelona mihitsy no tsy mazaka ireny fa hamafisina manokana ny zaza » hoy Dr Fidy. Isaorana etoana ireo olona nanaparitaka ny horonan-tsary izay nahafahana nanao ny fitsirihina sy nanaovana ny fisamborana. Aza sodokan’ny vidin’ny entana fotsiny ihany fa fakafakao alohan’ny hanapahana ny hevitra, aleo lany vola nefa mahazo zavatra ara-pahasalamana na dia somary lafo aza. « Aleo misoroka toy izay mitsabo. » hoy ny fomba fiteny Malagasy.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire