Ilafy : Nahavelom-bolo ny valim-panadinana
Efa nivaly ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanadinana Bakalôrea teto andrenivohitra isan’izany ny tany amin’ny faritra Avaradrano. Nahitana fiakarana izany raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa.
« Tsy nampihena ny lentan’ny fahaizana akory ny covid-19 fa nampiezaka ny ankizy mihitsy aza » hoy i Françoise, mpampianatra any Avaradtano. « Niakatra be mihitsy ny tahan’ny fahafahana teto amin’ny Lisea moderina Ilafy satria 100% ny tao amin’ny A1 no afaka raha 90,30% ny A2, 51,35% ny sokajy C ary 62,26% ny sokajy D » hoy ny talen’ny sekoly. « Mahavelom-bolo mihitsy ny valim-panadinana ary tena hita ny fihezahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra ary maneho fisaorana ny tompon’andraikitra rehetra » hoy ny avy amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.
Niakatra tokoa ve ny lentan’ny fampianaranasa ny lentan’ny laza adina no nahidina ? Tsy nanisy sakana teo amin’ny fanenjehana ny programam-pampianarana tokoa ve ireny fampiatoana ny fampianarana noho ny covid-19 ireny ?
Nicole Rafalimananjara
