Andekaleka : Tsy ekena ny fanimbana ny fananana iombonana
Nilaza ny tompon’andraikitra fa hasomparana niniana natao ilay fahamaizana indray tany Andekaleka. Nirehitra indray mantsy ny fitaovana mpanodina herinaratra laharana 1. Nitarika tsy fahafahan’Andekaleka hamokatra herinaratra intsony mantsy izany.
« Tsy ekena ny fanimbana ny fanana iombonana indrindra ireo fotodrafitr’asa miankina betsak amain’ny fiainam-bahoaka toy izao. Raha ny fitondrana na ny Jirama no tsy tiana dia lafiny hafa izany” hoy ny filoha Andry Rajoelina. « Manao antso avo amin’ireo manam-baovao ahafahana mamantatra izay tompon’antoka tamin’izao raharaha izao izahay. Hisy valisoa lehibe homena ireo izay manampy amin’ny fanomezam-baovao » hoy ny avy ao ami’nny fiadidiana ny Repoblika.
« Tena manahirana mihitsy ity jiro tapaka matetika ity. Betsaka anefa ny tokantrano sy ny orinasa mila herinaratra indrindra fa amin’ny alina » hoy i Lanto, mpahay fiaraha-monina. Matetika tokoa ny fahamaizana ao Andekaleka ao. Ny fitaovana ve no efa tranainy sa tena ankasomparana tsotr’izao ?
Nicole Rafalimananjara
