ActualitésTatitra

Russie : Lozan-toeram-pitrandrahana nahafaty olona 52 tao Sibérie

Nisehoana loza tao amina toeram-pindrandrahana iray tao Sibérie ny alakamisy teo. Tafiakatra 52 ny olona maty nandritra izany raha ny fanazavan’ny masoivohon’ny tamba-tserasera russe ny zoma teo. Tsy nisy velona intsony ireo olona hita tao tamin’io fotoana io hoy izy ireo. Nanamafy ihany koa ny RIA Novosti sy Interfax tetsy andaniny fa 46 ny mpiasa tamin’ireo olona maty ireo ary mpamonjy voina ny 6. Mbola misy olona 49 karohana kosa amin’izao fotoana.Nosamborina kosa ny talen’io toeram-pitrandrahana io tao aorian’ny fanadiadiana raha ny fanazavana noho ny fandikany ny fenitry ny fiarovana. Niteraka « phénomène gazodynamique » nahafaty olona maro io tandrevaka io ary marihina fa nisy olona 285 teo an-toerana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza.

Laisser un commentaire