ActualitésTsidika

Kolontsaina : Efa andiany faha-17 ny Madagascourt film festival      

     

Efa manitsaka ny andiany faha-17 ny « Rencontre du film court » izay volavolaina eto Madagasikara ka nampitondraina ny anarana hoe « Madagascourt Film festival » izany hetsika izany. Hanomboka ny 25 novambra ary tsy hifarana raha tsy ny 4 desambra izao izany ka ny eto Antananarivo sy ny any Mahajanga no hisitraka izany festival izany.

« Horonantsary fohy mihoatra ny 200 no halefa mandritra ireo andro maromaro ireo ka hisitraka izany avokoa ireo mpankafy eto Antananarivo sy any Mahajanga. Rehefa manao zavatra moa ny Assoication RFC dia te hamoaka ny tsara hatrany ka efa matihanina ireo mpitsara ami’nizany mba hahafahana mamoaka vokatra matihanina ihany koa », hoy ny avy ao amin’ny RFC, izay mpikarakara ny hetsika.

« Toy izay fanao isan-taona izay dia hisy ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampizarana traikefa amin’nyb mpisehatra maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Hisy ihany koa ny fampiofanana izay atolotry ny Unifrance, fikambanana frantsay iray mpampiroborobo ny sarimihetsika frantsay sy mpanaparitaka ireo sarimihetsika izay matihanina avy amin’ny firenana hafa », hoy hatrany ny fanazavana.

Maro ny horonantsary sy sarimihetsika Malagay no tokony ho tsara, saingy misy zavatra madinika kely nanimba azy. Izany anefa no ilaina ny fiofanana sy ny fifampizarana, ahafahana mahazo traikefa. Entanina noho izany ireo izay te hisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika ho avy amin’ity hetsika ity hahafahana mamoaka zavatra matihanina.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire