ActualitésTatitra

Mayotte : Ahiana ny hipoaka ny ady sivily ao amin’ny nosy

Nanao antso avo ny solombavambahoakan’i Mayotte Estelle Youssouffa (LIOT) manoloana ny zava-misy ao an-toerana. Tao anatin’ny andro maromaro dia nisehoana fifandonana teo amin’ireo tanora avy amin’ny fokontany mpifanandrina tao an-toerana.

Nanao fanairana io tompon’andraikitra io fa tanora an-jatony maro no voasaringotra ao amin’io fifandirana io. Teratanin’i Comores mitotra tsy ara-dalànaao Mayotte ny ankamaroan’izy ireo hoy izy, eo anelanelan’ny 12 sy 13 taona ary mirongo antsy sy tsy matahotra ny mamono.

Marihana fa misy hifandraisany amin’io tranga io ny fanafihana fiara mpitatitra mpianatra ny herinandro lasa teo.

Laisser un commentaire