Proche Orient: fivorian’ny filan-kevitry ny ONU mikasika ny ady Israélo-palestinien
Hanantanteraka fivoriana ampitain-davitra ny filan-kevitry ny fandriam-pahalemana ao amin’ny firenena mikambana ny alahady izao amin’ny 4ora tolakandro (ora ao Paris), noho ny hamafin’ny fifandonana eo amin’ny Israël sy ny vondrona islamista palestinien Hamas. Ny Etas-Unis izay nandà hatrany ny hisian’ny fivoriana manomboka ny zoma ary nanolo-kevitra ny hanaovana izany ny talata. I Tunisie, Norvége ary Chine no nangataka ity fivoriana ity. Mila mandray anjara ao avokoa ireo solon-tenan’ny ONU any Proche Orient, Norvegien, Tor Wennesland ary ny Israël sy Palestine. Niantso ilay “esprit de l’Aïd” ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana, Antonio Guterres, ny alakamisy teo ary nangataka ny fanafoanana eo noho eo ny fifandrafiana ao Gaza sy ao Israël.
