ActualitésTatitra

Afrique du Sud: manao saka sy voalavo amin’ny fitsarana i Jacob Zuma

Tokony ho tsaraina amin’ny resaka kolikoly ity filoha teo aloha ity saingy mety hiteraka fihemorana izany nohon’ny fametraham-pialana nataon’ilay mpisolo vavany. Ilay filoha tao Afrika atsimo teo aloha, Jacob Zuma izay noterena hametram-pialana mikasika ny raharaha kolikoly, mbola ho voatsara ihany ve ? Manao izay azony atao rehetra ity filoha 79taona, tena fetsy ity mba hanemorana hatrany io fotoana io. Ny alatsinainy 17 may izao izy no voaatso eo anivon’ny fitsarana ao Pietermaritzburg mba hamaly ireo fiampangana azy miisa 16. Tafiditra ao anatin’izany ny fiampangana amin’ny resaka fanaovana hosoko, trafikana fividianana fiaramanidina mpiady, ireo sambo fisafoana ary ny fitaovam-piadiana miaramila avy amin’ny vondrona frantsay Thales fony izy mbola filoha lefitra. Iray volana monja talohan’ny fitsarana ilay raharaha fanaovana tsolotra tamin’ny 1999 anefa, nilavo lefona ny mpisolo vava azy ny faran’ny aprily teo, tsy nisy ihany koa ny fanazavana.

Laisser un commentaire