ActualitésTatitra

Japon : Valan-javaboahary manan-tantara ao Tokyo i Kitanomaru

Valan-javaboaharim-panjakana mifanila amin’ny Lapa imperialin’i Tokyo i Kitanomaru. Ao amin’ny boriboritanin’i Chiyoda, ao Japon no misy.

Toerana masina natao ho an’i Tsukudo, andriamanitra mpiaro ny faritr’i Kantō io toerana tany am-piandohana. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana kosa nefa Tokugawa Ieyasu dia natao toeram-ponenan’ny governora Naitō Kiyonar ny toerana ary nifandimbiasana governora samihafa izany.

Karazana manam-pahefana sy toby maro kosa no nifandimby tao an-toerana talohan’ny nanavaozana azy ho faritra maitson’ny Lapa imperialy taorian’ny ady lehibe faharoa tamin’ny taona 1946. Manoloana izany dia trano maro toy ny an’ireo mpiambina imperialy no noravana.

Laisser un commentaire