Tontolo iainana: nisehoana firehetana ny tao amin’ny faritra arovana “Baie de Baly”
Ny 22 septambra 2022 dia nahazo fampandrenesana avy amin’ny Madagascar National Parks, mpitantana ny Faritra arovana Baie de Baly, ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Boeny-Betsiboka fa misy firehetana nitranga tao amin’ny Faritra arovana Baie de Baly toeram-ponenan’ireo sokatra Angonoka izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tao amin’ny zone tampon ao Baly no niantombohan’ny afo ary nahakasika ny atiala tao Ambida izany. Notomorin’ny ministera akaiky izany ary voafehy ny afo.
Taoriana kelin’izay anefa dia nisehoana firehetana 3 hafa indray izany toerana izany. Nandray fepetra nidina any an-toerana avy hatrany ny OMC sy ny avy ao anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Ministeran’ny Filaminanm-bahoaka ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena nanatevin-daharana ireo efa tonga tany an-toerana hamono ny afo. Sarotra ny fifehezana ny afo noho ny hamafin’ny rivotra sy ny fahasarotana amin’ny fidirana ao anaty ala na dia efa manao izay ho afany aza ny rehetra amin’ny famonoana ny afo. Hatahorana fatratra hatreto ny momba ireto sokatra ireto ka efa manao izay hevitra rehetra hiarovana azy ireo ny tompon’andraikitra sy ireo mpamono afo any antoerana.
Tsy mendrika ny olona manana fanahy sy fahendrena ny toy izao, tsy mendrika ny olona miaina ambany lalàna ihany koa ka mila faizina sy beazina manaraka izany izay tratra amin’izany.
Miora Raharisolo
