ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Manolotra karazan’asa maro

Isan’ny olana lehibe iainan’ny tanora ny tsy fahampian’ny asa. Manome tolotr’asa maro ny kaominina Ambohimanambola ankehitriny.

« Misokatra ho an’ireo mponina aloha ny tolotr’asa mba hampihenana ny tsy an’asa eto amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola. « Mitady teknisiana iray misahana ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy izahay. Mitady Polisy kaominaly roa ihany. Eo ihany ny olona roa tadiavinay izay hikojakoja ny fotodrafitr’asa. Olona ato anatin’ny faritry ny kaominina ihany no tena ilaina » hoy ny ben’ny tanàna ao Ambohimanambola.

« Tena mahaliana tokao ny tolotr’asa. Tsy mangataka mari-pahaizana ambony loatra ary mety aminay tsara. Ny fahatanjahan’ny vatana sy ny fahasalaman’ny saina no tena ilaina » hoy i Gerard, mponina ao Ambohimanambola.

Aterina ao amin’ny biraon’ny Kaominina ny antotan-taratasy rehetra takiana amin’izany. Azontsika jerena ao amin’ny kaonty facebook-n’ny Kaominina Ambohimanambola ny filazana na ihany koa eny amin’ny kaominina mihitsy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire