ActualitésTatitra

Chine : Lehilahy iray no maty rehefa avy nanao horonantsary nampidi-doza tamin’ny Tiktok

Lehilahy iray, 34 taona, mpanao TikTok no rehefa avy nanao horonantsary nampidi-doza tamin’io tambajotra sosialy io ny herinandro lasa teo. Tao Lianyungang, faritanin’i Jiangsu no niseho ity tranga ity. Naka horonantsary azy nivantana nisotro zava-pisotro mahamamo io lehilahy io ary nandritra ny 12 ora dia nahalany « baijiu » fito ny tenany.

Marihana fa zava-pisotro misy alikaola 60% ny « baijiu ». Manodidina ny misasak’alina kosa no natsahatr’io lehilahy antsoina hoe Wang Moufeng ary mitondra ny anarana hoe Brother Three Thousand ao amin’ny tambajotra Tiktok io ny horonantsary mivantana nataony. Fotoana fohy taorian’izany nefa dia hita faty tao an-tranony ny tenany.

Manoloana ny tranga kosa nilaza ny TikTok fa hijery manokana amin’ny fomba hentitra kokoa ny fitsipika sy ny indostria ny streaming mivantana amin’ny ankapobeny ny tambajotra sosialiny.

Laisser un commentaire