ActualitésTatitra

Maurice : Mitombo an’isa ireo mitady fiainana tsaratsara kokoa any an-kafa

Tao anatin’ny taona maromaro izao dia nitombo an’isa ireo mponin’ny nosy Maurice maniry ny hiaina any amin’ny firenen-kafa. Niakatra izany taha izany hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid-19 raha ny fanamafisan’ny talen’ny Lifetime Immigration, Amalsingh Bada. Efa maherin’ny arivo ny fianakaviana niondrana tao amin’ny firenen’i Justin Trudeau tamin’ny taona 2022 hoy izy.

I Canada mantsy no tena firenena mahasarika an’ireo mponin’ny nosy Maurice maniry ny hifindra-monina ireo raha ny fanazavana. Nahitana fiakarany ihany koa noho izany ny tahan’ny fangatahan’asa any amin’io firenena io arak’i Amalsingh Bada. Ankoatran’i Canada nefa dia isan’ireo firenena tena mahasarika ny mponina ihany koa i Angleterre sy Australie.

Nanamafy i Avy Seeckun, talen’ny Sunking Consultings fa aleon’ireo tanora manana « School Certificate » na « Higher School Certificate » ihany kosa manohy fianarana any ivelany. Nanazava kosa ny mpandinika ny fiaraha-monina, Ibrahim Koodoruth fa antony isany manosika ny mponina hiala ny firenena ny sandan’ny karama.

Laisser un commentaire