ActualitésTatitra

Maurice : Tsy nisy fiantraikana betsaka tamin’ny sandam-bola ny krizy

Raha efa nahery ny 5000 ariary ny sandan’ny 1 Euro teto Madagasikara dia manodidina ny 50 Roupie Mauricienne eo foana izany ao amin’ny nosy Maurice. Tsy nampihotsona firy ny sandam-bola tao an-toerana ny krizy maro nisesy raha ny fanazavana. Mirona kokoa amin’ny famokarana anatiny ny politikam-pitantanana ao amin’izy ireo ka zara raha manafatra entana avy any ivelany, antony mahany marin-toerana hatrany ny sandam-bolany izany raha ny fanamafisana.

Maro ihany ireo indostria lehibe mamokatra sy manodina ny vokatra ao amin’ny nosy ary misy ihany koa ny sehatry ny fanondranana izay antoky ny fahombiazana. Tombanana hitombo 5,0% ny harin-karena faobe ao an-toerana amin’ity taona 2023 ary 4,2% amin’ny taona 2024 noho ny fizahantany. Heverina kosa fa hihena hatrany amin’ny 7,0% ny vidim-piainana amin’ny taona 2023 ary 5,5% ny taona 2024 hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire