ActualitésTatitra

Irak : Nodoran’ny mpanao fihetsiketsehana ny masoivohon’i Suède tao Bagdad

Vao mangiran-dratsy ny alakamisy 20 jolay teo dia nodoran’ireo mpanao fihetsiketsehana notarihin’ireo « partisans leader religieux » Moqtada Sadr ny masoivohon’i Suède tao Bagdad. Antony ny fitokonan’izy ireo ny manoloana ny fandoroana ny Coran.

Raha tsiahivina dia lehilahy iray avy ao Irak ary mitady fialokanlofana ao Suède antsoina hoe Salwan Momika no nandoro pejy maromaro ny Coran teo alohan’ny masoivohon’i Irak tao Stockholm, nandritra ny fankalazana ny Aïd al-Adha. Tetsy ankilany dia nanaiky ny fihetsiketsehan’ny mpiray dia tamin’io lehilahy io teo alohan’ny masoivohan’i Irak tao Stockholm ireo manam-pahefana tao Suède ka nitarika ny fahatezeran’ny «partisans leader religieux» Moqtada Sadr tao Irak izany ary nitarika hatramin’ny fandoroan’izy ireo ny masoivoho tao Bagdad. Marihana fa mbola nandrahona ny handoro ny Coran ary handoro ny sainam-pirenan’i Irak i Salwan Momika.

Nilaza kosa ny minisitry ny raharaham-bahiny tao Suède fa efa azo antoka avokoa ny fiarovana ireo mpiasan’ny masoivoho ao Irak ary mifandray mivantana amin’ny minisitry raharaham-bahiny ao Irak ny tenany manoloana ny zava-misy.

Laisser un commentaire