Mety eto amintsika ve ny fisian’ny « bisexual » ?
Efa manomboka miparitaka eto amin’ny fiarahamonina Malagasy ny fiarahana amin’ny mitovy fananahana na ny « homosexualité ». Tsy mifanalavitra loatra amin’izay manko ny « bisexualité » izay fiarahana ara-pitiavana na ara-nofo amin’ny olona maro mitovy fananahana na koa tsy mitovy fananahana. Afaka miaraka amin’ny lahy ilay olona na amin’ny vavy akory aza.
Ny 23 septambra tokoa mantsy dia andro iraisam-pirenena natokana ho an’ireo karazan’olona ireo. Ilaina eto amin’ny fiarahamonina Malagasy tokoa ve izany ? Firenena maro no efa manome alalana izao karazam-piainana izao satrai miditra ho fanavakavahana ny fandrarana izany amin’izy ireo.
Manao ahoana kosa anefa ny eto amintsika ? Mety ho vokatry ny safidy mihitsy izy io na natoraly mihitsy satria ny vatany mihitsy no misy rantsana na taova vavy no sady lahy. Tsy hay na nolovaintsika olombelona tamin’ny bonobo sy ny dauphin izany satria ireo biby ireo no tena fantatra fa « bisexuels ». Ny vehivavy no tena be isa indrindra ao amin’ity karazana iray ity noho ny lehilahy raha ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana. Mahatsapa ho mbola voahilikilika anefa ireo « bisexuels » ka izany no tena namoronana izao andro ho azy izao izay nanomboka ny taona 1999. Tsy vitsy tokoa mantsy ny Malagasy efa tafiditra ao amin’izany karazana izany, ho ahilika ve satria tsy mitovy saina amintsika sa hotohanana amin’ny safidiny ?
Nicole Rafalimananjara
