Alasora : Mpangalatra iray no tra-tehaka teo am-panafihana
Ny marainan’ny Alarobia tokony ho tamin’ny 1ora maraina teo ho eo no nisy mpangalatra nanafika teny amin’iny kaominina Alasora iny.
Raha tsiahivina dia vao tsy ela no nisy asana fisolokiana tratra teny amin’iny faritry Alasora iny, dia ilay mpivady nisoloky olona iray ka naka volabe amin’antapitrisany, izao indray ity dia asa fanafihana.
« Teo am-panaovana ny asa ratsiny andeha hanafika ny tokan-trano iray teny Ambodivondava io mpangalatra io no tratranay, nikasa hitsaoka ihany izy fa noho ny fiaraha-miasanay tamin’ny mponina teto an-tanàna dia izao tra-tehaka izao » hoy i Max anisan’ireo andrimasom-pokonolona ao an-toerana.
« Raha tsy misy ireo andrimasom-pokonolona izany dia mety nataon’ity mpangalatra ity lasibatra mihitsy, aleon’ny olona miaro ny tenany fa ny asan-dahalo efa mirongatra anefa ny mpiatandro filaminana koa rehefa antsoina tsy mandray finaday na efa lasa hatramin’ny mpangalatra aza vao tonga » hoy i Jean Pierre mponina eny Alasora.
« Efa nanao ny ezaka goavana izahay ary hita ho nisy vokany izany, ny fananganana ny fikambananan’ireo andrimasom-pokonolona no tena vahaolana haingana hitanay fa vetivety sady mamokatra, tombony be koa ny fahazotoan’ireo vatan-dehilahy eto an-tanàna miara-misalahy amin’ny fanenjehana ny ratsy toy izao » hoy i Rado, tompon’andraikitra ao amin’ny fokontany Ambodivondava.
Nilaza koa ny mpitandro filaminana iray sendra anay fa « tena efa tsy mifidy hanagalarina intsony ireo jiolahy, ary amin’izao na olona iray monja aza dia efa mahasahy manafika mananika vohitr’olona, tsy any amin’ny faritra sy eny amin’ny lalam-pirenena ihany fa mitatra hatramin’ny fanafihana trano indray izany izao no ataon’ireo olon-dratsy, entanina hatrany koa isika vahoaka mba samy ho mailo ary hampilaza eny amin’ny manam-pahefana raha misy tranga hafahafa ».
Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy dia nirongatra tsy nisy ohatran’izany ny asan-jiolahy, karazana toerana maro no lasibatra amin’izany, anisan’izany ny eny amin’ny lalam-pirenena sy ny any amin’ny faritra, mila anaovana hetsika manokana hiarahan’ny vahoaka sy ny mpiatandro ny filaminana mihitsy, toy izay efa natao tamin’iny RN7 iny vao tsy ela.
Lovasoa Tojonirina
