ActualitésTsidika

Ho atao any Itasy ny andiany faharoa amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra

Hotanterahina any amin’ny Faritra Itasy ny andiany faharoa amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra ny 30 septambra hatramin’ny 2 oktobra izao, raha any amin’ny faritra Sofia kosa ny andiany fahatelo ny 28 hatramin’ny 30 oktobra izao.

Isan’ny fomba iray entina hampandrosoana ny isam-paritra ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ary teto amin’ny faritra Analamanga no nanaovana ny andiany voalohany tamin’izany fankalazana izany ny taon-dasa. « Tafiditra ao aantin’ny veliranon’ny filoha sy ny fandaharan’asa IEM ny andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra ho entina hampitoviana lanja ny isam-paritra sy hampandrosoana azy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana. « Entina hampivondronana ireo mpisehatra amin’ny fampandrosoana ny isam-paritra sy ireo mpamatsy vola ary ireo rantsana maro samihafa eto amin’ny firenena na maneran-tany ny fankalazana mandritra io telo andro io » hoy i Rajoelina Patrick avy ao amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny.

« Misy elanelana ny fampandrosoana ny isam-paritra ka mila fanovana izany ary zon’ny sam-paritra mihitsy ka io no fotoana hifandraisana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hampandrosoana ny faritra ka hanomezan-danja ny vokatra any an-toerana mba hisintomana ireo mpamatsy vola sy ny mpandraharaha » hoy ireo mpikarakara ny hetsika. Marihina fa ny 26 hatramin’ny 28 Novambra 2020 lasa teo no nanaovana ny andiany voalohany teto Antananarivo. Ary efa ela no nanomanana izao andiany faharoa izao ka hantenaina fa hizotra tsar amin’ny an-tsakany sy an-davany izany. Mizotra any amin’ny tena fampandrosoana tokoa ve ny tahaka izao ? Inona avy izao no tombony nandritra ilay andiany voalohany ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire