Ankadikely Ilafy : Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy roa nanafika « cash point »
Lavon’ny polisy tao Ilafy, niaraka tamin’ny basy fampiasan’izy ireo amin’ny fanaovana asa ratsy ny jiolahy roa, taorian’ny fifandonana izay nisy teo amin’izy ireo sy ny mpitandro filaminana. Araka ny voalaza, efa mpampihorohoro ny mponina ireto jiolahy ireto, ary izy ireo ihany koa no tompon’antoka tamin’ny fanafihana “cash point” nahafatesana raim-pianakaviana iray tao Ankadikely Ilafy ihany.
« Noho ny ezaka nataon’ny mpitandro filaminana no nahatratrara azy ireto. Nahery vaika ny fifandonana noho izy ireo nanana fitaovam-piadiana ary namaly ny mpitandro filaminana, antony nahalavo azy ireo. Tsara marihina fa efa mpanao fanafihana mitam-basy izy ireo ary efa mpampihorohoro ny mponina amin’ny faritra avaradrano » hoy ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.
« Mendrika ireo olona mpanao asa ratsy toa azy ireo ny tahaka izao. Raha ny lalàna no nentina nitsarana azy ireo, mety higadra izy kanefa ho tafavoaka ihany ao aoriana ka hiverina amin’ny asa ratsy fanaony ihany. ary hampitombo ny asa ratsy hataon’ny aza izy amin’izay fotoana izay » hoy i Daniel, mpampianatra efa misotro ronono.
Ilaina hatrany ny fahamailona manoloana ny tsy fahandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Ilaina anefa ao anatin’izany ny mampahafantatra ireo mpitandro filaminana ny zava-misy eny an-toerana hahafahan’izy ireo mandray fepetra avy hatrany.
Manitra Ramanantsoa
