Dépêches

Fifidianana 2023 : Nasiam-panovana ny fomba fanisana ny mpifidy

Dépêche 03 novembre, 15h, Nanomboka ny voalohan’ny volana oktobra teo ny fanisana ny mpifidy, ary efa an’arivony izao ireo voasoratra anaty lisi-pifidianana. Tsy hifarana izany fanisana izany raha tsy ny taona 2023. Ankoatra ireo ezaka izay ataon’ny CENI dia misy ihany ny olana sasany. Tsy manam-potoana handehanana eny anivon’ny fokontany ireo mpiasa amin’ny orinasa tsy miankina ka handefa ireo mpanisa mpifidy eny anivon’ny orinasa tsirairay ny CENI, ahafahana mahazo ny isan’ireo mpifidy ara-dalàna. Hanomboka ny 15 novambra izao izany fomba fiasa vaovao izany. Zo sy adidy ny mifidy ka tsy tokony ho sakana ho an’ireo mpiasa izany.

Laisser un commentaire