Faty olona tany Ambositra
01:00 Maty ny 22 febroary teo i Kotoary raha nisy nanatota tamin’ny vato teo am-patoriana. Teo antsinanan’i Vinany-Ambositra ampitan’ny lalana hidina ho any amin’ny lisea no nitrangan’ity famonoana olona ity izay tsy fantatra loatra ny antony. I Kotoary izay isan’ireo mpatory an-dalambe fa tsy manan-kialofana ka mora tamin’ireo tsy mahatahotody no nanao izany.
