Morondava : Nisehoana haintrano goavana tao Andakabe
18 Martsa, 08h00. Nitrangana haintrano omaly tolakandro tao Andakabe, Morondava, faritra Menabe. Fianakaviana telo trano izay misy olona 20 no tsy manan-kialofana vokatr’izany ary anisany may tamin’izany ihany koa ny fiangonana Miaramanompo. “Court-circuit” niavian’ny firehetana raha ny voalaza. Saika may tamin’izany ihany koa ny biraon’ny “finance” izay mifanila tamin’ny fiangonana. Ny mponina no fifanome tanana namono ny afo.
