Dépêches

Faravohitra : Tontosa ny lanonana famindram-pahefana ny Minisiteran’ny Fitsarana

18 Martsa, 09h00. Tontosa omaly ny lanonana famindram-pahefana teo amin’ny Minisitra nisahana vonjimaika ny Minisiteran’ny Fitsarana, Ranampy Gisèle sy ny Mpitahiry ny Tombo-kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana Rakotoazafy François. Natao teny amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Faravohitra izany ary notronin’ny mpiasa isantokony teo anivon’ny Fitsarana. « Tsy miverina ho azy ny fatokisan’ny vahoaka ny fitsarana fa miankina amin’ny asa atao eo amin’ny rafi-pitsarana rehetra » hoy ny minisitry ny Fitsarana vaovao Rakotozafy François. Anisan’ny ezaka hatao amin’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny fandraisana ny olona manan-draharaha, ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana mba tsy hitarazoka, ny famoahana didy tsy mitanila sy eken’ny rehetra hoy ny fanamafisany.

Laisser un commentaire