Fandriana: Nitrangana famonoana olona
09 Oktobra, Vehivavy iray hita faty tao akaikin’ny dobon-drano, misy ny mpianatra, tao amin’ny distrika Fandriana, omaly atoandro. Araka ny hita tao an-toerana, nisaritaka sy nikorotana ny volon’ity vehivavy ity, nahitana farora ihany koa vavany ary tsy nahitana fitafiana ny tapany ambany. Tsy nahitana dian-kapoka na ratra ny vatany; ahiana ho niharan’ny fanampoizinana sy fanolanana izy.
