Ankadikely Ilafy: Nahazo trano famakiam-boky sy fikirakirana solosaina ny LMAI
Nahazo trano famakiam-boky sy fikirakirana solosaina ny Lycée Moderne Ankadikely Ilafy (LMAI). Nisy ny fitokanana ny efitrano iray sy fikirakirana solosaina izay nomena ny anarana “Salle de Biblio-tice”, tamin’ny faran’ny herinandro teo.
“Nisy ny fitondrana am-bavaka ny zava-bita sy ny taom-pianarana vaovao 2023-2024 tao amin’ny FJKM Ankadikely, nandritra izany izany fotoana izany. Nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpanabe sy mpampianatra, teo ihany koa ny nanolorana fanomezana ho an’ireo mpianatra mendrika teto amin’ny sekoly” hoy ireo tompondraikitry ny sekoly.
“Tao amin’ny sekoly ihany koa dia anisan’ny nahazo anjara fanomezana manokana avy amin’ny vadin’ny ben’ny tanàna, Faratiana Rajaonah, ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana Bakalorea 2023 tamin’ny andiany misalotra ny anarana Vonona izay miisa 82 ; marihina fa izy no Reny mpiahy izany andiany izany” hoy hatrany ny fanazavana.
Manao ny ezaka rehetra ho fanomezana lanja ny fanabeazana sy ny fampianarana ny kaominina Ankadikely Ilafy, taratr’izany ny fahavitan’ireo foto-drafitr’asa ao an-toerana. Nifanandrify tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe sy ny mpampianatra moa ity fotoana ity.
Manitra R.
