Tsy fandriam-pahalemana : Miandahy miam-bavy ireo mpangaro-paosy eny Behoririka
Manodidina iny Behoririka iny dia ahitana mpangaro-paosy betsaka noho izy toerana hitangoronan’ny olona maro, ny mpivarotra, ny mpiantsena, ireo olona mandalo. Olona miisa 9 indray no tratehaka ary voamarina fa mpangaro-paosy eny amin’iny toerana iny.
Nisy ny angom-baovao azon’ny Polisy mahakasika ireo mpangarom-paosin’ireo mpiantsena eny Behoririka.
Nanao fanamiana sivily ireo Polisy niandry azy ireo teny an-toerana. Efa toy izany indray izao no tena fomba fiasa mahomby mba hahafahana misarona ireny mpanao ratsy ireny. « Efa naparitaka ireo Polisy tokony hiasa amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary miova paikady izahay ka manao fanamiana sivily avokoa », hoy ny avy ao amin’ny Polisim-pirenena CSP3 Antanandrano. Vokatr’izany dia lehilahy 5 no tratra ambodiomby nanao ny asa ratsiny raha ny firaisana tsikombakomba no nahatrarana ireto 4 ambiny izay vehivavy moa ny iray amin’izy ireo. « Tsy mihena mihitsy ireto fa misy ohatran’izao foana isan’andro, tokony ahverina ny travaux forces dia izay tratra sy izay mbola tsy voatsara asaina mamafa lalana na manadio tatatra ohatra, na manadio sekoly », hoy i Nirina, niantsena ao Behoririka.
Mbola tena maro ny olona tia kely sy tsy te hivoatra eo amin’ny fiainana. Antony iray mampatonga ny olona hangalatra izany. Tsy misy asa ratsy anefa ka anjaran’ny tsirairay no miketrika sy mampiasa saina. Ny mangalatra izany voararan’ny lalàna ary tsy hananana anatra mihitsy.
Miora Raharisolo
