Ambohimanambola: Hisy ny fahatapan-drano, ho diovina ireo fantsona mitondra ny rano
Hiroso amin’ny fanatanterahana ny fanadiovana indray isan-taona ireo fantsona rehetra mitsinjara ny rano ho fanatsarana ny kalitaon’ny rano, ireo tomponandraikitra misahana ny rano ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ny alarobia 8 may izao no hanatanterahana izany, ka misy ny fiaraha-mientana hangatahin’ny tomponandraikitra.
« Ho fanatsarana ny kalitaon’ny rano, eo amin’ny fahasalaman’ny mpanjifa, dia hisy ny fanadiovana faobe ireo fantsona rehetra mitsinjara ny rano ka miainga ao amin’ny siniben-drano ka hatrany amin’ny tokan-trano tsiraira izany. Misy ny fandaminana takiana amin’ny mpanjifa sy ny mampiasa rano rehetra ho fanatanterahana izany » hoy ny tomponandraikitra.
« Entanina ny mpanjifa hamaha ny robinet rehetra misy ao aminy mandrapahalaniny 250 litatra. Ho an’ny fokontany Ambohibato sy Mahatsara dia amin’ny 8ora ka hatramin’ny 9ora maraina izany. Ny faritra gara ambony sy Andohimandry dia amin’ny 9ora hatramin’ny 10ora ary ny gara ambany sy Mahitsy, Ampahimanga ary Tanjonandriana dia amin’ny 10ora hatramin’ny 11ora. Tsy anaty faktiora io fandaniana io amin’izay fotoana izay » hoy hatrany ny fanazavana.
Ny andron’ny alarobia sy alakamisy no ho tapaka ny rano ao an-toerana. Marihina fa tsy azo atao ny misotro na mampiasa ny rano amin’ny vatana na ampiasaina hanasana fitaovam-pihinana sy sakafo noho ireo akora fanadiovana aminy. Ny zoma 10 may kosa no hiverina ny famatsian-drano ara-dalàna.
