ActualitésTsidika

Alasora: Mitohy ny hetsika fitandroana filaminana

Mitohy hatrany ny fiaraha-mientana ho an’ny fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Alasora. Ny zandarimaria sy ny mponina no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany, araka ny voalaza

« Mitohy hatrany ny fiainana ifotony hikatsahana fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fokonolona amin’ny fitandroana ny filaminana. Manao tan-tsoroka azy ireo  ihany koa ny andrimasom-pokonolona ary tsy mitsahatra manao fisafoana ny zandary » hoy ny tomponandraikitra ao an-toerana.

« Anisan’ny mahomby tokoa ary nahitam-bokany ny fanatanterahana ny andrimasom-pokonolona. Maro ireo olon-dratsy efa tratra ary anisan’ny tanjona nametraka ny hamongotra sy hanafay azy ireny ho antoky ny fiarovana ny vahaoka sy ny fananany »  hoy ireo mpitandro filaminana.

Zava-dehibe ny fiaraha-miasa, indrindra ny fiaraha-mientana ho an’ny fandriam-pahalemana. Ny zandarimaria Alasora moa dia azo antsoina amin’ny laharana 0341400954.

Laisser un commentaire