SocialTsidika

Mananiera : Mponin’Imerina mikajy tontolo ianana sy foto-drafitr’asa

Toerana iray ao amin’ny fokontany Ambohitrimo, anatin’ny kaominina Ambohimanga (Ambohimanga Rova) izay voafaritra ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano i Mananierana.

Tanàna mahasarika ny olona ao Mananiera, raha ny tena marina dia Ambohimanga mihitsy no teana maha te-hikaroka noho izy anisan’ny tena niandohan’ny fanjakàn’Imerina. Ny fikambanana Rotary Club izao dia anisan’ny mpanohana sy mpamatsy ny EPP ao an-toerana. Tia fandrosoana main’ny lafin’ny maro koa ny mponina ao satria rehefa misy fifidianana (filoham-pirenena, solom-bavambahoaka, sns) dia anisany manana taham-pazotoan ambony izy, tsy amin’ny maha tanàna ambanivohitra fa tena tia manao adidy ny olona ao an-toerana.

Nilaza i Richard, sekretera ao amin’ny fokontany fa « tsy dia mba hita eto an-tanàna izany mpangalatra izany, tsy dia misy loza koa eto, ary anisan’ny mapiavaka an’ity tanàna ity dia ny finiavan’ny olona manaja ny tanan sy mikolokolo ary mikajy ny foto-drafitr’asa sy zavatra eto an-toerana, ny sekoly izao ohatra mbola tsy manara-penitra ny anay ary efa tena ela no nananganana azy fa mbola mijoro tsara ary tsy manana olana mihitsy ireo mpianatra, ny ankizy koa mazoto sy tia fianarana ka hain’izy ireo ny mikajy ny fitaovana ». Manana toetra mendrika ny olona ao ary toy izay koa ny tompon’andraikim-panjakàna ao, ankoatra ireo olona zanan-tany ao dia misy mpiavy monina koa ao ary mihary sy miaina toy ny olona ao ihany.  

Ny taran’andriana monina ao Mananiera no nanome fanazavana sy nitantara ny tantaran’ilay tanàna mihitsy. « Ambohibato ny anaran’ny taloha fa ny mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova azy ho Mananierany, anisan’ny tanàna mirakitra ny kolon-tasainan’Ambohimanga i Mananiera ary amin’ny maha toerana masina azy dia misy fomban-drazana atao rehefa hiditra ny tanàna na hanao zavatra ao an-toerana, misy doany sy hazo masina ao an-toerana ary eo no andrarahana zava-pisotro misy alikaola mba ho fangatahana tso-drano sy alàlana amin’ireo olobe efa niamboho ».

Tao an-toerana ihany koa no niavian’ny hoe « ombalahy bemaso », izay anisan’ny anaram-boninahitra iray niantsoana ny mpanjaka Andrianampoinimerina, raha aran-tantara mantsy dia tena omby io « ombalahy bemaso » ary tao an-toerana ny valan’omby ny mpanjaka tamin’izany ka hatreo Andohamandry izy no mitazàna ny ombiny ao Mananiera ary hitany tsara izany, ireo omby ireo no nantsoina hoe « ombalahy bemaso”, anisan’ny omby mahery sy be ronono indrindra izy io ary rehefa miady amin’ny omby hafa dia resy foana izay miady aminy. Samy nanakatra ronono avokoa izy rehetra fa ny sasany fahefany sy antsasany nisy zara raha nisy, fa ny an’ny Mananiera kosa no feno izany hoe « erany » ka teo nahatonga an’Andrandrianampoinimerina nanova ny anaran-tanàna hoe « Mananierany », rehefa taty aoriana dia lasa « Mananiera » nohony fanafohizan-teny nataon’ny olona.

Nanampy fanazavàna koa ny olona mponina sy nahafantatra tantara fa « teo amin’io toerana io koa no nitoeran’i « Nierana », olona izay isan’ireo tandapa ihany ary nasainy niambina ny toerana tao, nanaovana tranomanara tao io tandapa io ka niasa sy nonina tao. Ahitàna tamboho gasy miavaka ao an-toerana satria misy tamboho iray lehibe ary mbola voahodidina tamboho ihany koa eo ivelany, anisan’ny antony niantsoana ny toerana hoe ivon-toeran’ny kolontsaina ny ao an-toerana koa fa tao no niantombohan’ny lalao « fanorona » ary mbola ao ny vato nanombohan’izany lalao izany ».

Tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka dia nisy ny fanafihana nataon’ny sakalava, ary noho ny fisian’ny vavahady 12 ao Ambohimanga dia tsy tafiditra izy ireo ary nisy koa ny paik’ady natao ary mifandray amin’ny mananiera izany.

Anisan’ny mbola miaina tanteraka amin’ny tontolo ambanivohitra ny olona ao an-toerana ary mamboly sy miompy ny tena fotom-pivelomana. Ny zotra makany Ambohimanga ihany no andehanana raha to aka hihazo an’ny Mananiera. Azonao atao koa ny manao tetik’asa indrindra amin’ny lafiny fambolena satria ny tany dia mahavokatra ary ny olona koa tia mifanampy, mbola azo lazaina ho tontolo maintso koa izy ka afaka hahazoana rivotra madio tsara, ary afaka mitsidika ireo toerana rehetra voalaza etsy ambony koa.

Ny tena tsara koa mantsy dia mba hanitarana ny fandroasoana amin’ny toerana toy ireny indrindra zavatra mba hafahan’ny olona ao an-toerana misitraka koa.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire