ActualitésTsidika

Alasora Avaradrano : Tsy afa-po amin’ny fomba fiasan’ny Jirama ny mponina

Niteraka fianjerana andrinjiro maromaro ireny rotsak’orana nifanesy ireny tety Avardarano. Efa ela anefa vao misy ny fanamboarana izany, ka velon-taraina ny mponina satria tapaka tanteraka ny herinaratra.

« Poteau an’i Jirama miisa roa no nianjera aty aminay aty, miantso ny Jirama anefa tsy misy ny fandraisana andraikitra » hoy i Ravaka, mponina ao Ampahibato. « Misy an’ilay laharana maitso iny niantsoanay ny Jirama. Milaza fa handefa olona izy ireo kanefa tsy hita izay eo fa ny jiro tapaka, tapaka manaraka izany ihany koa ny asa fivelomana » hoy i Rakoto, mponina ao Alasora. « Ela mihitsy ny Jirama vao mandray ny andraikitra, kanefa ny olona tena sahirana. Ny rano izao tapaka lava aty aminay kanefa tsy lavitra aty misy paompy tapaka ka eo ny olona no manasa lamba, izahay mandoa vola indray no mihahaka » hoy i Hanta, mponina ao Alasora.

Betsaka tokoa no velon-taraina manoloana ny fiasan’ny Jirama kanefa ny sandan’ny herinaratra dia mindangana tokoa. Efa ren’izy ireo anefa ny fitarainana saingy ela vao misy ny vahaolana ary mainka miverina foana aza iny olana iny.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire