Covid-19 : Firenena maro no nandray fepetra manoloana ny variant Omicron
Nanosika firenena maro handray fepetra ny fahatahorana ny variant vaovao Omicron. Manahy izay mety ho tanjak’ity variant ity ireo manam-pahaizana. Manoloana izany dia tsy nanokatra ny sisin-taniny indray i Australie raha nikasa ny nanokatra izany ho an’ireo mpianatra sy mpiasa voafantina ny 1 desambra izao, hoy ny praiministra ao an-toerana Scott Morrison.Nandray fepetra mitovy amin’izay ihany koa i Philippines izay nikasa hanokatra ny sisn-tany ho an’ny mpizaha tany saingy nanafoana izany noho ny tahan’ny mpanao vaksiny vitsy ao aminy. Nanafaingana izany fanaovam-baksiny izany ihany koa izy tetsy an-daniny ary nanitatra ny salan-taonan’ireo mahazo misitraka ho 12 taona no mihoatra.Mihidy manomboka androany ihany koa ny sisin-tanin’i Japon ary efa nahitana tranga enin’io variant io sahady tao Ecosse.
