Etats-Unis : Hiezaka hanala an’i Russie ao amin’ny filan-kevitra momba ny zon’olombelon’ny ONU i Etats-Unis
Rehefa niady nandritra ny fotoana maro i Russie sy Ukraine dia afaky ny tafik’i Ukraine ihany ny tanan’i Boutcha ao amin’ny faritr’i Kiev. Niala ny faritra ny tafik’i Russie, niazo ny atsinanana manoloana izany.Vata mangatsiaka niparitaka teny amin’ny lalana sy nitoby tao anaty fasana faobe nefa no novantanan’i Ukraine. Niteraka fatezerana iraisam-pirenena izany tranga izany ary nahatonga an’i Etats-unis niantso ny fanalàna an’i Russie ao anatin’ny filan-kevitra momba ny Zon’olombelon’ny ONU. »Tsy afaka hamela firenena mpikambana nanimba ny foto-kevitra rehetra natsangatsika handray anjara amin’ny filan-kevitra momba ny Zon’olombelon’ny ONU isika » hoy ny masoivohon’i Etats-Unis, Linda Thomas-Greenfield tamin’ny ONU.
