PolitiqueTatitra

Corée du Nord : Nandrahona an’i Séoul ny anabavin’ny filoha Kim Jong-Un

« Mila manova ny foto-pisainany i Corée du Sud raha te hisoroka ny loza » hoy ny anabavin’ny filohan’i Corée du Nord, Kim Jong-Un antsoina hoe Kim Yo-Jong. Tsiahivina mantsy fa talohan’izany dia nilaza ny minisitry ny fiarovam-pirenen’i Corée du Sud, Suh Wook fa manana « missile » mahavita mikendry tanjona iray mazava sady haingana i Corée du Nord.Tsy nahafaly an’i Kim Yo-jong io fanambarana nataon’ny minisitra io ka nahatonga azy nandrahoana. Nilaza ity farany fa io kabary tsy ampiheverana nataon’ny minisitra io dia hampitombo ny fifanenjanana eo amin’i Corée roa ary hanamafy ny fifanenjehana ara-tafika.Anisan’ny nanamafy ny fandrahonana an’i Séoul ihany koa ny sekreteran’ny komitin’ny Antokon’ny Mpiasa ao Corée du Nord, Pak Jong-chon. « Hanokana ny heriny rehetra hanoherana an’i Corée du Sud tsy misy fiantrana ny tafika » hoy izy.

Laisser un commentaire