France : Norombahan’ny PSG ny coupe de France
Nobatain’ny PSG indray ny amboaran’i France ny alarobia 19 may lasa teo izay natao teo amin’ny Stade de France. Nandresy 2 noho ny 0 izy tamin’ny lalao famaranana izay nifanandrinany tamin’ny AS Monaco. I Mauro Icardi no nampiditra ny baolina voalohany (19’), ary i Kylian Mbappé no nahatafiditra ny baolina faharoa (81’). Ity no amboara voalohany azon’ny PSG tamin’izao andiany izao. Nitazona ny baolina hatrany ny Paris nandritra ny fe-potoana voalohany tamin’ity lalao ity. Nisy hadisoana nataon’ny tetsy an-kilany ihany ary mora ho an’ny PSG no nahazo ny isa satria tsy voarain’i Disasi ny baolina nampitain’i Majecki tao amin’ny ekipan’i Monaco ka mora ho an’i Mbappé no nanenjika izany ary namonjy ny tsato-by avy hatrany. Ary efa roa minitra farany aza vao tafiditra indray ny baolina faharoa.
