ActualitésTatitra

Maurice : Rajako an-jatony tsy ara-dalàna no tratra

Rajako 250 isa no nohidiana tao anaty tranom-biby tery, tsy nisy hazavana sy rivotra, tao anaty loto ary zara raha nisy rano sy sakafo. Marihana fa asa mampidi-bola ny fiompiana rajako ao amin’ny nosy Maurice saingy misy ny fepetra arahina amin’izany.

Tsy ara-dalàna io fiompiana tratra tao an-toerana io ary raha ny fantatra dia natao ho an’ny laboratoara izany. Tsiahivina ihany koa fa maro ireo rajako avy ao Maurice efa nampiasaina ho « cobayes » amin’ireny « laboratoires pharmaceutiques » ireny, indrindra nandritra ny fanadramana ny vaksiny Covid-19.

Maro kosa ireo fikambanana miaro ny zon’ny biby amin’izao fotoana mitaky ny famotsorana any anaty natiora ireo biby ireo saingy raha ny heriteritry ny manam-pahefana dia ho ampidirana ao amin’ny sehatry ny fiompiana ara-dalàna izy ireo.

Laisser un commentaire