Famakiam-boky: Ambany ny tahan’ny mpamaky boky nosoratan’ny mpanoratra Malagasy
Raha mihoatra amin’ny boky vahiny na ireo boky izay nosoratan’ny vahiny dia mbola vitsy ny tahan’ny olona mamaky boky voasoratry ny Malagasy. Nisy ny fiaraha-miasa amin’ny OIF araka izany nandritra ny fanoloran’ity farany boky miisa 882 ho an’ny Tranombokim-pirenena. Araka izany dia ho ampiana ireo mpisehatra mahakasika ny boky eto Madagasikara.
“Tsy maintsy ampiana ny rojon’ny boky toy ny mpanoratra, ny mpivarotra boky, ny trano mpanonta sy ny maro hafa. Ny tanjona amin’izany dia hahakasika Malagasy maro ny boky nosoratan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Araka izany io fiaraha-miasa amin’ny OIF dia hatokana hividianana boky eto an-toerana ny ampahany amin’ny vola izay hividianana boky ho an’ny Tranombokim-pirenena”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy.
Anisan’ny mamelona ny mpanoratra Malagasy raha ireo boky izay nosoratan’izy ireo no jifaina. Etsy andaniny dia betsaka ny soa azo avy amin’ny famakiana boky ka izany indrindra no antony hanentanan’ny ministera amin’ny fahazotoana mamaky boky amin’ny alalan’ny tetik’asa “Ndao hamaky boky”. “Nahitam-bokany io tetik’asa izay efa nanomboka tamin’ny taona 2020 io satria efa hita fa miverina amin’ny famakiana boky ny olona na dia eo aza ny firoboroboan’ny teknolojia. Ny tanjona amin’ity tetik’asa ity moa dia mba hiverina amin’ny fitiavana mamaky boky indray ny olom-pirenena ka hikolo sy hitaiza ny saina amin’ny fitiavana mamaky boky”, hoy hatrany ny fanazavana avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera.
Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanabeazana sy ny fahaizana ny boky, misy ho an’ny sokajin-taona rehetra izany ka anisan’ny manana ny hasiny izy ireny. Azon’ny olona rehetra atao ny misitraka ny boky rehetra izay hita ao amin’ny Tranombokim-pirenena izay samy hahazo ny anjarany avokoa ny tsirairay amin’izany.
Miora Raharisolo
