La Réunion : Nitokona ireo mpiambina ny fonja tao Port
Efa nanomboka tamin’ny 6 ora maraina ireo mpiambina ny fonja tao Port no nanao fihetsiketsehana omaly. Manameloka ny tsy fahatomombanana miseho isan’andro sy ny fidiran’ireo voafonja avy any Mayotte ao amin’ny fonja ao Port izy ireo.
Efa feno 100% ny fonja ary anton’izany ny mombamomba ireo voafonja tsy mifanaraka amin’ny faritry ny fonja raha ny fanazavan’ny lehiben’ny sendikà ny « FO pénitentiaire », Vincent Pardoux. Nanamafy ny tenany fa mpitarika andian-jiolahy maro avy ao Mayotte no entina gadraina ao an-toerana.
Etsy ankilany dia manameloka ihany koa izy ireo fa adinon’ny « direction interrégionale de l’outre-mer » tanteraka ary miasa mafy na andro fakan’anina na faran’ny herinandro.
