ActualitésTsidika

Lalaon’ny Nosy: Nihena ho 17 ireo taranja hifanandrinana, eto Antananarivo irery ihany no handraisana ny lalao

Raha tokony ho 23 ny taranja hifanandrinana mandritra ny lalaon’ny Nosy izay hotanterahina eto Madagasikata amin’ny volana septambra dia nihena ho 17 izany. Eto Antananarivo Renivohitra irery ihany koa no handraisana ireo lalao rehetra fa tsy hisy any amin’ny faritra. Nifarana ny alahady teo ny fivorian’ny filan-kevitra iraisam-pirenena momba ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana.

“Tsy nisy fiovana ireo firenena handray anjara fa mbola miisa 7 hatrany izy ireo. Ahitana an’ny Maurice, Maldives, Mayotte, Comores, La Réunion, Seychelles ary Madagasikara izay mpampiantrano mazava ho azy. Ireto kosa ny taranja hahafahana mandray anjara: Athlétisme sy Para Athlétisme, Basketball 5×5 sy 3×3, Boxe, Badminton, Tennis de table, Football, Cyclisme, Haltérophilie, Handball, Judo, Lutte, Natation sy Para Natation, Rugby à 7, Karaté, Pétanque, Tennis, Volley ball”, hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Ankoatra izany dia tsy hisy lalao horaisina ihany koa any amin’ny faritra fa hotanterahina eto Antananarivo avokoa izany. “Najanona ny beach soccer sy ny beach volley tokony notanterahina tao Mahajanga. Teo ihany koa ny Surf izay tokony natao tao Sainte Marie. Toy izany ihany koa ny Surf izeay tokony tao Taolagnaro. Araka izany dia ho vitaina eto Antananarivo avokoa ireo lalao rehetra amin’ity andiany faha 11 ity”, hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina fa sombiny ihany ireo lalao najanona ireo fa mbola maro ireo taranja tsy maintsy najanona ihany koa. Zato andro mialohan’ny figadonan’ny fotoana dia efa maro ny manolotra fanampiana ny Ministera sy ny Fitondram-panjakana amin’ny famolavolana ny lalao noho ireo fandaminana maro mbola tsy amin’ny laoniny. Etsy andaniny anefa dia efa anatin’ny fanomanan-tena ihany koa ireo mpikatroka Malagasy. Efa nivoaka moa ny sary famantarana ho an’ity lalao ity sy ny hira faneva ho amin’izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire